Psaumes 75

C'est Dieu qui juge

Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona. 2Fa ho avy tokoa amin’ ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina. 3Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. [Sela.] 4Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha , ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka; 5Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka.

6Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana . 7Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa. 8Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.

9Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’ Andriamanitr’ i Jakoba. 10Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.

Copié !
Aa