Psaumes 63
Mon âme a soif de toi
Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin’ ny tany maina sy mangentana tsy misy rano; 2Toy izany no nijereko Anao tao amin’ ny fitoerana masìna, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. 3Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
4Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ ny anaranao no hanandratako ny tanako. 5Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan’ ny fanahiko; ary amin’ ny molotra falifaly no hideran’ ny vavako Anao. 6Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin’ ny fiambenan’ alina.
7Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin’ ny aloky ny elatrao no hihobiako. 8Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana. 9Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin’ ny tenany; hiditra any ambanin’ ny tany izy; 10Hatolotra ho amin’ ny herin’ ny sabatra izy; ho anjaran’ ny amboahaolo izy.
11Fa ny mpanjaka hifaly amin’ Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan’ izay rehetra mandainga.