Psaumes 3

Beaucoup se lèvent contre moi

Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy. 2Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.] 3Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

4Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy. 5Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.] 6Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.

7Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao. 8An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao . [Sela.]

Copié !
Aa