Psaumes 16
Tu es mon héritage
Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho. 2Hoy izaho ny amin’ i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao; 3Ary ny amin’ ny olona masìna ambonin’ ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra .
4Ho be ny fahorian’ izay manova an’ Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin’ ny molotro ny anarany. 5Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako. 6Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.
7Hisaotra an’ i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin’ ny alina aza dia mananatra ahy ny foko . 8Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo ankavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. 9Izany no ifalian’ ny foko sy iravoravoan’ ny fanahiko ; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.
10Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ ny lavaka Hianao. 11Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay.