诗篇 150

凡有气息的都要赞美耶和华

Haleloia. Miderà an’ Andriamanitra eo amin’ ny fitoerany masìna. Miderà Azy eo amin’ ny habakabaky ny heriny. 2Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ ny voninahiny. 3Miderà Azy amin’ ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin’ ny valiha sy ny lokanga.

4Miderà Azy amin’ ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin’ ny zava-maneno tendrena sy ny sodina. 5Miderà Azy amin’ ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin’ ny kipantsona tsara feo. 6Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’ i Jehovah. Haleloia.

已复制!
Aa