Psalms 122
I rejoiced when they said to me
Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon’ i Jehovah. 2Ny tongotray efa mijoro Eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô, 3Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara; 4Any no iakaran’ ny firenena, Dia ireo firenen’ i Jehovah (Lalàna amin’ ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran’ i Jehovah.
5Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan’ ny mpianakavin’ i Davida. 6Mangataha fiadanana ho an’ i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao; 7Fiadanana anie ho ao anatin’ ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao 8Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.
9Noho ny tranon’ i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.