Psalms 121
My help comes from the Lord
Manopy ny masoko ho amin’ ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahy ? 2Ny famonjena ahy dia avy amin’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. 3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
4Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. 5Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin’ ny an-kavananao. 6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
7Jehovah hiaro anao amin’ ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. 8Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin’ izao ka ho mandrakizay.
Copied!
Aa