Salmi 76

Dio è conosciuto in Giuda

Andriamanitra dia fantatra eo amin’ ny Joda; malaza eo amin’ ny Isiraely ny anarany; 2Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany. 3Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana. [Sela.] 4Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin’ ny tendrombohitra fitohàna.

5Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra. 6Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr’ i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly. 7Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?

8Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina, 9Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.] 10Fa ny fahatezeran’ ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.

11Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an’ Izay mahatahotra. 12Manapaka ny reharehan’ ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan’ ny tany.

Copiato!
Aa