Salmi 118

La pietra che i costruttori hanno rifiutato

Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony. 2Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. 3Aoka ny taranak’ i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.

4Aoka izay matahotra an’ i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony. 5Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. 6Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko?

7Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy. 8Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona. 9Tsara ny matoky an’ i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.

10Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa; 11Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa. 12Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.

13Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy. 14Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy. 15Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery; 16Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery.

17Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah. 18Nofaizan’ i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ ny fahafatesana. 19Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.

20Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo. 21Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy. 22Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.

23Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika. 24Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika. 25Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!

26Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo. 27Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza. 28Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.

29Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.

Copiato!
Aa