Giosuè 4
Dodici pietre come memoriale
Ary rehefa tafita an’ i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin’ i Josoa hoe: 2Mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny olona, dia iray avy isam-pirenena, 3ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin’ ny folo eo afovoan’ i Jordana eo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin’ izay handrianareo anio alina.
4Dia nantsoin’ i Josoa ny lehilahy roa ambin’ ny folo, izay nofidiny tamin’ ny Zanak’ Isiraely dia iray avy isam-pirenena, 5ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan’ i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely, 6mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin’ ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton’ ireo vato ireo?
7dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah; fa raha nita an’ i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ ny Zanak’ Isiraely. 8Dia nanao izany ny Zanak’ Isiraely araka izay nandidian’ i Josoa ka naka vato roa ambin’ ny folo teo afovoan’ i Jordana, araka izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Josoa, araka ny isan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin’ izay nitobiany ka napetrany teo. 9Ary vato roa ambin’ ny folo no natsangan’ i Josoa teo Jordana, teo amin’ ilay nijoroan’ ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
10Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan’ i Jordana mandra-pahavitan’ ny zavatra rehetra izay nandidian’ i Jehovah an’ i Josoa holazaina amin’ ny olona, araka izay rehetra nandidian’ i Mosesy an’ i Josoa; dia nita faingana ny olona. 11Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran’ i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan’ ny olona. 12Ary ny taranak’ i Robena sy ny taranak’ i Gada ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ ny Zanak’ Isiraely koa, araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy.
13Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan’ i Jehovah hanafika, ho eo amin’ ny tani-hay any Jeriko. 14Tamin’ izany andro izany no nanandratan’ i Jehovah an’ i Josoa teo imason’ ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’ i Mosesy, tamin’ ny andro rehetra niainany. 15Ary Jehovah niteny tamin’ i Josoa ka nanao hoe: 16Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana.
17Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo. 18Ary rehefa niakatra niala teo afovoan’ i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin’ ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin’ ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
L'accampamento a Ghilgal
19Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin’ ny andro fahafolo tamin’ ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin’ ny sisin-tany atsinanan’ i Jeriko. 20Ary ireny vato roa ambin’ ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan’ i Josoa tany Gilgala. 21Dia niteny tamin’ ny Zanak’ Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin’ ny andro ho avy hoe: Inona no anton’ ireo vato ireo?
22dia hambaranareo aminy hoe: Tamin’ ny tany maina no nitan’ ny Isiraely ity Jordana ity. 23Fa nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan’ ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika, 24mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa mahery ny tànan’ i Jehovah, ary mba hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.