Psalms 81

Open wide your mouth and I will fill it

Mihobia ho an’ Andriamanitra herintsika; manaova feo fifaliana ho an’ Andriamanitr’ i Jakoba. 2Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha. 3Tsofy ny anjomara amin’ ny volana; eny, amin’ ny feno-volana, dia amin’ ny andro firavoravoantsika.

4Fa lalàna ho an’ ny Isiraely izany, ary fitsipik’ Andriamanitr’ i Jakoba. 5Notendreny ho vavolombelona eo amin’ i Josefa izany, raha nandeha namely ny tany Egypta Izy; nandre teny tsy fantatro aho. 6Nampiala ny sorony tamin’ ny entana Aho; nitsahatra tsy nitondra sobiky ny tànany.

7Fony azom-pahoriana ianao, dia niantso Ahy, ka namonjy anao Aho; namaly anao tao amin’ ny fiafenan’ ny kotrokorana Aho, ary nizaha toetra anao tao amin’ ny ranon’ i Meriba. [Sela.] 8Mihainoa, ry oloko, dia hambarako aminao; enga anie hihaino Ahy ianao, ry Isiraely. 9Aza asiana andriamani-kafa eo aminao; ary aza mivavaka amin’ ny andriamanitry ny firenena hafa.

10Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta; atanatanao ny vavanao, dia hofenoiko. 11Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko; ary ny Isiraely tsy nankato Ahy; 12Ka dia navelako hanaraka ny ditry ny fony Izy, handehanany manaraka ny fisainan’ ny tenany.

13Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin’ ny lalako ny Isiraely; 14Vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho, ka hamerina ny tanako hamely ny rafiny; 15Izay mankahala an’ i Jehovah dia hikoy aminy, ka dia haharitra mandrakizay ny andron’ ny oloko; 16Ary hampihinana azy vary tsara indrindra Izy; eny, tantely avy amin’ ny vatolampy no hamokisako anao.

Copied!
Aa