Psalms 48

Great is the Lord in the city of our God

Lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, ao an-tanànan’ Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masìna. 2Avo mahafinaritra, fifalian’ ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona, eo amin’ ny ilany avaratra, tanànan’ ny Mpanjaka lehibe. 3Andriamanitra ao an-tranon’ andriana ao dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.

4Fa he! niangona ny mpanjaka maro, niara-nandroso avokoa izy. 5Nijery izy ka talanjona terỳ; Very hevitra izy ka nalaky nandositra; 6Hovitra no nahazo azy teo, dia tahaka ny fanaintainan’ ny vehivavy raha miteraka.

7Amin’ ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’ i Tarsisy. 8Araka izay efa rentsika no hitantsika, tao an-tanànan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, tao an-tanànan’ Andriamanitsika. Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay. [Sela.] 9Efa nieritreritra ny famindram-ponao izahay, Andriamanitra ô, tao anatin’ ny tempolinao.

10Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana. 11Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona, aoka ho ravoravo ny zanaka-vavin’ Joda, noho ny fitsaranao. 12Manodidina an’ i Ziona ianareo, eny, mandehana manodidina azy; isao ny tilikambony, 13Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.

14Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ ny fahafatesana aza.

Copied!
Aa