Psalms 15
Who may dwell on your holy hill
Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin’ ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masìna? 2Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; 3Tsy manendrikendrika amin’ ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, 4Tsy manaja ny ratsy fanahy , fa manome voninahitra ny matahotra an’ i Jehovah; tsy mivadika amin’ ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, 5Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina,― izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
Copied!
Aa