Psalms 127

Unless the Lord builds the house

Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina. 2Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin’ ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an’ ny malalany, na dia matory aza izy. 3Indro, lova avy amin’ i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.

4Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana. 5Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin’ ny fahavalo eo am-bavahady.

Copied!
Aa