Psalms 100

Serve the Lord with gladness

Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra. 2Manompoa an’ i Jehovah amin’ ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin’ ny fihobiana. 3Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isika , Dia olony sy ondry fiandriny.

4Midìra eo amin’ ny vavahadiny amin’ ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin’ ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany, 5Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.

Copied!
Aa