요한2서 1
장로의 문안
Izaho loholona mamangy an’ itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin’ ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa) 2noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay: 3ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ ny fahamarinana sy ny fitiavana.
사랑 가운데 행하라
4Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin’ ny Ray. 5Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy , tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika. 6Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.
미혹하는 자들을 조심하라
7Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’ izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy. 8Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. 9Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ ny fampianaran’ i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.
10Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; 11fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ ny ratsy ataony.
얼굴을 대하여 말하기를 원하노라
12Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo. 13Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.