시편 67

민족들이 주를 찬송하게 하소서

Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; [Sela.] hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; 2Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra. 3Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

4Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. [Sela.] 5Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. 6Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.

7Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

복사됨!
Aa