시편 124
여호와께서 우리 편에 계시지 아니하셨더라면
Raha tsy Jehovah no nomba antsika,― Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe: 2Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona. 3Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany; 4Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka; 5Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.
6Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin’ ny nifiny. 7Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin’ ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika. 8Ny famonjena antsika dia amin’ ny anaran’ i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
복사됨!
Aa