Salmos 87

Todas mis fuentes están en ti

Ny naorin’ i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masìna; 2Ny vavahadin’ i Ziona dia tian’ i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an’ i Jakoba. 3Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra. [Sela.] 4Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan’ izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin’ i Etiopia, Ity no efa teraka teo.

5Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy. 6Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo. [Sela.] 7Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.

¡Copiado!
Aa