Salmos 70
Apresúrate, oh Dios, a librarme
Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy. 2Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ ny manjo ahy; 3Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!
4Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra. 5Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.
¡Copiado!
Aa