Salmos 56
En Dios confío, no temeré
Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy. 2Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko. 3Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao.
4Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko? 5Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny ; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany. 6Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
7Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va ? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô. 8Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny? 9Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
10Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny. 11Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko? 12Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
13Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona .