Salmos 111
El principio de la sabiduría
Haleloia. Hidera an’ i Jehovah amin’ ny foko rehetra aho, Eo amin’ ny fivorian’ ny marina sy ny fiangonan-dehibe. 2Lehibe ny asan’ i Jehovah, Ka dinihin’ izay rehetra mankasitraka azy. 3Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
4Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah. 5Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny. 6Ny herin’ ny asany nasehony tamin’ ny olony. Tamin’ ny nanomezany azy ny lovan’ ny jentilisa.
7Ny asan’ ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra; 8Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin’ ny fahamarinana sy ny fahitsiana. 9Manatitra fanavotana ho an’ ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masìna sy mahatahotra ny anarany.
10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany ; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.